Zo’é

Ao anatin’ny ala Amazonia, toeram-ponenan’ilay foko kely antsoina hoe « Zo’é ». Foko tanala izy ireo, ary akanga sisa nanamborana tamin’ireo fokonolona fahizany, zanaky ny ala sy ny voahary. Vahoaka hafa, tena hafa, raha oharina amintsika, zanaky ny fihazakazaky ny « fandrosoana » manerana ny tany. Isosonako faraingo ny teny hoe fandrosoana satria tsapako fa tsy misy ifandraisany amin’ny fandrosoan’ny maha olombelona mihitsy ny fiainantsika ankehitriny. Amiko, ny Zo’e no olo-mandroso indrindra amin’ny zanak’olombelon’ny taona 2015. Izy koa no marefo indrindra.

Photo www.panete.gaia.free.fr
Photo http://www.panete.gaia.free.fr

Amiko, izy ireo no azo lazaina fa « olombelona mahay miaina » indrindra ankehitriny : tsy mitady mihoatra noho izay ilainy, tsy manao ampihimamba, tsy mila fahefana, tsy mikatsaka vola aman-karena. Tsy misy ao anatin’ny voambolan’ireto olombelona ireto akory ny teny hoe « saotra » satria ho azy dia fahazarana sy tandra vadinkoditra ny manome sy ny mandray : olona lehibe tao anatin’ny kolontsain’ny zara izy. Mifamelona izy samy izy, ary mifamelona izy sy ny ala. Rehefa misy olona maty, dia doràna avokoa ny fananany : isika no mety ho koditra amin’izany fa tsy dia olana aminy satria tsy dia mahazatra azy koa ny manangona harena, ka tsy manana alahelo amin-javatra mora lo izy. Ireo kamboty sy mananontena navelan’ny maty kosa dia raisin’ny fianakaviana hafa ho isan’ny azy. Tsy misy olon-tokana mihenjihenjy irery. Raha misy ady dia sarihana ampovoan-tanàna ireo olona mifanditra ary….kibokibonina sy kitikitihina mandra-pahatapa-tsinay sy toran’ny hehy. (Ahoana moa raha sarihina ery ampovoan’ny kianjan’ny 13Mai izy dimy mirahalahy mianaka dia kitikitihina… 😀 😀 😀 Ny mitapy lavitra noho izany aza efa nandramantsika fa aza tsiravina eo )

http://ambranna.blogspot.com
http://ambranna.blogspot.com

Adiny telo raha ela ny fotoana atokany ho an’ny lahasa toy ny hoe manadio tanàna, mahandro sakafo, manamboatra vilany, manenona lay. Ny androny manontolo dia natokany hankafizana ny fotoana mandalo, toy ny valisoa avy amin’ny tsy hita maso. Izy koa dia miboridana tanteraka ary fotoana tokana isaky ny misy zava-dehibe mitranga amin’ny fiainam-piaraha-monina no hany mba hanaovany akanjo (fahoriana, fanambadiana), raha azo atao hoe akanjo ny salaka kely vita amin’ny ravinkazo. Miboridana toy ny zaza tsy manam-pahotana rehetra, madio tsy misy pentina. Madio ara-bakiteny koa : misasa isak’izay mahatsiaro izany foko izany, angamba izy ireo dia ho kiriko tanteraka raha mahita ny havoretrantsika mianakavy.

 Photo www.panete.gaia.free.fr
Photo http://www.panete.gaia.free.fr

Tsy mifandray mihitsy amin’ny tontolo ivelany izy ireo, fa ny hany hahafantarany fa misy isika rehetra ireto, dia satria mandalo mitsidika azy indraindray ny fiaramanidina kely mitondra mpitsabo tokana, izay mba mijerijery azy, raha sendra misy marary. Saingy tsy mba farary ireto olona ireto : matanjaka ny herimbatany manontolo, miaro azy amin’ny tazo sy ny hatsiaka ary ny hafanana. Mahavariana. Tsy mifandray amin’ny tontolo ivelany izy, noho izany tsy voaloto koa ny sainy : tsy dia misy dikany aminy ny mihary, tsy ilainy ny vola, tsy misy antony ny fialonana, tsy hitany ny tombony amin’ny fandrombaham-pahefana, tsy manana rafi-panjakana izy, tsy misy hiérarchie ao aminy, tsy manana andriamanitra itompoana sy anaovana sorona, tsy mahay meloka no sady tsy mpanameloka, tsy iasany saina izay zon’ny lahy na ny vavy na ny ankizy satria mitovy izy, mitovy ara-keviny ary mitovy amin’ny fahafahany. Izany tokoa angamba no atao hoe olona sambatra.

© Fiona Watson/Survival / http://ambranna.blogspot.com
© Fiona Watson/Survival /
http://ambranna.blogspot.com

Isika no dikan’ny teny hoe Zo’é. Mampatsiaro hoe vao tsy ela akory isika ireto no nanana razambe niaina toy ity foko ity, fony mbola tsy tonga ny rebik’ondry. “Malahelo lava ny omaly ianao” hoy Andriamatoa mantsy ahy. Angamba. Kanefa. Maninona moa ? Mijery ny fiainantsika ankehitriny aho dia kivy. Tsy hitako intsony mihitsy izay fomba hanavotana, na ny tenako, na ny hafa. Cliché be raha hiteny aho hoe “resa-bola sy tombotsoa manokana no betsaka”, nefa izay no marina : inona ary moa no iadivantsika eto? Vao omaly izahay no niresaka ity tombotsoa manokana tadiavin’ny solombavambahoaka – sy omena azy rahateo koa?! – sy ny fanodikondinam-bola sesilany manerana an’i Madagasikara, dia kepoka hatrany : atao inona daholo anefa izany? Hanefoefo dia hanao inona ? Hanjakazaka mba ho inona? Hikatsa-boninahitra satria iza? Mba ilazanay ve hoe “tena tia tanindrazana”? Mba ilazana ny tena manokana ve hoe “tena olompirenena”? Fa ny fanantenana izany voninahitra kely izany fotsiny aza ve tsy efa hadalàna ihany : ho inontsika moa izany rehetra izany, raha tsy afaka mankafy ny fotoana mandalo toy ny valisoa avy amin’ny tsy hita maso akory isika?

Adala aho, efa fantatro izany. Efa fantatrao koa. « Mialy a« , hoy Andriamatoa. « Tsy afaka ny hiverina anaty ala sy hiboridana sy tsy hanao afa-tsy ny milalao sy mifankatia intsony isika ». Eny e. Fa faly aho mahita ny Zo’é, faly aho mahafantatra fa mbola misy tamingana ny olombelona, tena olona sy tena velona. Faly aho, nefa sahirana koa : satria ny fisiako sy ny fisianao, ny karazam-piainantsika ankehitriny, fehezin’ny fitadiavana, ny fifaninanana, ny tombo sy tamby dia porofo mitohoka amin’ny tenda fa tsy isika izao no manana ny fahasambarana sy ny fahafahana na inona, na inona lazaintsika.

Photo www.planete.gaiga.free.fr
Photo http://www.planete.gaiga.free.fr

Iny ala Amazonia iny no fiainany. Ala miha lany tamingana : 100m2 isa-tsegondra no fongana tompoko. Satria na dia efa misafidy ny tsy hifampitakosona amin’ny “fandrosoana” aza ny Zo’é, izao tontolo izao kosa dia tsy manaiky fa tsy maintsy mitsabaka ny paradisany. Toy izany koa isika : tsy manaiky fa tsy maintsy mitsabaka ny paradisakelin’ny madinika indrindra amin’ny Malagasy : ny tantsaha, ny tanala, ny foko madinika sy lavitra andriana, izay bahanan’ny manambola sy mpitrandraka, ny mpitevy ala sy ny mpanao kely tsy mba mamindro. Jereo fotsiny anie ny Mikea e? Ho aiza ireny olona ireny? Moa ve tsy olona manan-jo hiaina ny tantarany sy ny fombany izy, moa ve ho lany tamingana izy ireny satria avelantsika hotsabahina sy fongarina ny toeram-ponenany ? Valalanina fotsiny ny saiko maheno ity tanora miezaka ny hanao politika milaza amiko hoe « Mialy a, efa tsy tokony hisy resa-poko intsony izao, fa aleo ary hijanona any izany Mikea izany dia mba ho Malagasy no resaka… » Azonao amin’izay hoe avy aiza no fihavian’ity krizy tsy manam-pahataperana ity?! Avy aiza moa fa tsy avy amin’ny fiheverantsika rehetra ihany fa ny fombantsika no hany fomba, ny tadiavintsika no tokony ho tadiavin’ny rehetra – manginy fotsiny  ny resa-pinoana samihafa – ary raha fongana ny ala, tsy olana satria sady tsy razana omaly isika no sady tsy zanaka rahampitso. Azonareo ve izany hadalàna be izany?!

Theo Rakotovao - Taholy , Contre jour 2009
Theo Rakotovao – Taholy , 2009

Niverina ampovoan-tsehatra ingahy Théo Rakotovao izay mpanankanto mahafinaritra sy tena tiako, hany miaro ny zon’ny vahoaka Mikea : te hiteny amintsika aho hoe aza revo manaraka télé réalité foana isika, fa tolontsika koa ny fanavotana ireny olombelona ireny. Variana aho mahita ny fietanam-po : aiza ireny fihavanana be ireny no tsy asehontsika amin’ny ilàna azy ? Miady irery toy ny Zo’é ve ny Mikea? Asa re. Toy izany hatrany angamba ny tantaran’ny olona. Asa tokoa.

 Spéciale dédicace à mon fils, à ma fille et ceux qui viendront après nous.

Publicités

3 commentaires sur “Zo’é

  1. mampiova toen tsaina ity.raha n olona any ambanivhtra n azavaina anio a!na hoe mahita anizao dia meto ho tonga saina Izy ka iverina tena hoe fandrosoana izany

Les commentaires sont fermés.

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :