Adintsaina vao maraina

Vao 1 janoary ny andro, rahoviana, rahoviana. Miaiky aho ry Mark.

Hiala facebook aho. Tsy tafala facebook aho. Tokony hiala facebook aho. Ahoana raha hialàko facebook? Facebook ve azo ialàna? Tsy tanteraka ny nofy raha resahana. Aleo atao par si. Hiala aho, hiala aho, hiala aho. Sa atao indraindray ve, ohatra hoe isaky ny zoma ihany. Nefa naman’ny tsy miala izany. Tonga dia foanana ny kaonty. Andriamanitra ô, loza inona ity lazaiko.

Atao inona anefa facebook e. Ka tsy maharaka vaovao anie raha tsy ao e. Vaovao inona anefa no arahako ao izay tsy ho arako any ivelany. Tsy ao anaty facebook ny loharanom-baovao tsara indrindra. Fa miely haingana kosa. Eny e. Miely haingana dia ahoana. Raha tsy misy facebook ianao, dia tsy hitanao ilay adihevitra teo. Ilay adihevitra avolenta sy azoko daholo ny tian’ny olona hiaviana iny ve ?

Ka tsy fantatrao izay manjo ny olona raha vao tsy hitahita mihitsy ianao. Sady tsy fantatry ny olona koa izay manjo anao. Hoe hotantaraina daholo anaty facebook koa moa ve izay hanjo rehetra. Nefa koa inona moa no dia hoe hanjo ka TSY MAINTSY anaty facebook no horesahako. Hiala aho ka. Marina e.

Ho aiza aza ianao fa ao daholo ny olona anie e. Tsy ao daholo ny olona. Ny olona tena ilaina dia ao tokoa. Ny Filoha izao tsy ao. Iza no miteny aminao fa tsy manana kaonty manokana ny Filoha ? Ah oui. Like. Share. Fa manana pejy ny Prezidansa. Misy olona kizitina be mitantana io pejy io – tsy haiko na firy na firy no ao ambadika ao fa kizitinany daholo izay mahasosotra azy -, fa izy koa angamba efa te hiala facebook mafy fa tsy tafala. Na tafala dia tsembodratsy ka niverina haingana, Dark Vador, je suis l’Admin.

Misy olona koa anie tsy mampiasa facebook e. Dadabeanareo? Ka mety tsy misy ilain’ny fiainany azy ny facebook koa. Tsy misy asany ilaina facebook manokana tsinona koa. Misy asako tena ilaina facebook. Ka dia mijanòna ao izany raha ilainao amin’ny asanao. Ka izaho te hiala. Ka mialà. Ka tsy tafala.

Mijanòna aza dia aza manao resaka mihitsy na kely aza, aza manao like, na mizara, na mamaly resak’olona, na mizara sary, fa ny asa ihany no imasoana. Ity koa izany an. Mety ho mahafinaritra koa anie ilay miteny hoe  »Izaho tsy dia facebook loatra ». Ie, izany daholo no iandohan’ny resaka izay miafara amin’ny hoe  »Hitako tany amin’ny facebook mantsy ilay bilaoginao ». Ka sendra mba niditra izy dia sendra mba nahita koa. Izaho koa sendra mba niditra. Handeha aho. Hotahiana ve aho raha handeha? Loza.

Io anie ny fahavonona no tena mitondra azy e. Raha tsy vonona ianao hiala dia tsy tafala. Sahala amin’ny sigara, ny taoka, ny loka, ny sira, ny menaka, ny hakamoana. Dia salama kokoa ny saina sy ny vatana. Salama sa mankaleo.

Veloma ary fa lasa aho. Impiry izay ianao manao veloma eto. Ka ity no tena veloma. Dia ahoana izany ny asa ? Ilay kaonty iray manao ny asa. Ka tafajanona facebook ihany ianao izany raha manana kaonty iray hafa…Fa inona mihitsy no tianao hahatongavana e? Tianao hiala facebook aho? Izay no tianao ? An? An?

Bonne année, en passant.
images
Toy ny ET rehetra e…Mba te hiantso any an-trano…
Publicités

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :