Rafilaotosy

Tsy dia tiako be mankaiza i Etazonia fa kosa ity Flotus ity, mila asiana resaka manokana. Valo taona no nijerena azy tetsy sy teroa, mbola tsy nahita vadina filoha mahavariana ahy toy izao aho, variana amin’ny tsara io no resaka fa tsy hoe inona akory. Mahafinaritra, mahavariana, mampisento tokana sy maro.

dt.common.streams.StreamServer
Anaovy Flotus roa sy Ellen iray, azafady

Ny tena tiako aloha, tsoriko, dia ny fahaizany mihomehy, na ny zava-mitranga, na ny tenany ihany, na ny vady amanjanany koa. Tiako ny olona mahay mihomehy, taratry ny fananampanahy sy fahalalahantsaina ary ny hamorampo ny hehy sy ny tsiky. Fahamboniana ambonin’ny fahamboniana rehetra ny sens de l’humour amiko, singa hahafantarana fa sady misy saina no misy fo amampanahy ny olona iray. Fa efa saranga hafa kosa raha miresaka amin’I Ellen DeGeneres na i Jimmy Fallon ianao dia mbola mampihomehy ambonin’ireto farany ny ataonao : na efa hatrany ambohoka izany toetra izany, na kotrana be tsy hifankahitana no nambolena azy. Fa mitovy ny vokany : mampite hihaino, mampite ho namana, mampite hitantara ny resany, tadidy mazàna ary mahatoran’ny hehy.

Tiako koa ny fahaizany manokatra ny tanany amin’ny karazana olona samihafa, kanefa dia tafiditra foana ny resaka. Karazan’olona ahoana, hoy aho indray andro izay, no maharitra miresaka amin’itony Tamarsian itony no mahay miresaka amin’ny Mpanjakavavy Elizabeth? Raha azonareo antsaina ny elanelana, nefa ohatran’ny tsy misy ihany rehefa dinihina.

tamar
Rafilaotosy sy The Real, miresaka ny mahazavadehibe ny fanohizana ny fianarana ho an’ny tanora . Jereo eto  http://bit.ly/1XNU2hP

Tiako koa ny fidirany hitolona ho an’ny zavatra tsapany fa lehibe, fa indrindra ny firesahany amin’ny tanora.  Mandehana manohy fianarana, aza manaiky lembenana, tandrovy ny nofinao, manaova fanantanjahantena, mambole ao anjaridaina, miahia izay madinika, arovy ny zazavavy… Miresaka amin’ny tanora, toy ireny hoe namana ireny ary noho izany, dia henoin’ireto farany tokoa. Azony hatao koa izany satria ny fireneny rahateo afaka manantanteraka izay voalazany : taritina hanohy fianarana ny tanora satria misy oniversite sy toerampiofanana sahaza ho an’ny nofin’ny tsirairay. Ny eto amintsika moa, na ny sekoly ambaratonga fototra aza mbola hifampitadiavana, ka mety hampihomehy ihany raha ny andaniny milaza hoe “alefaso mianatra ny kilonga”, nefa etsy ankilany kosa sekoly rava sy potika no idiran’ny zaza. Ny lazaina matetika dia ny hoe “tarazo nolovaina tamin’ny fitondrana teo aloha”, asa angaha I Gallieni irery no nahatsangambato naharitra teto? ( aza hitako, aza mahita ahy).

Tiako mihitsy ny firotsahany antsaha e. Tsy hoe mirantiranty be fotsiny ny takelabato milaza fa « notokan’ny vadin’ny filoha ity trano ity », fa tena hitanao tokoa na ny ataony isan’andro, na ny fihavian’ny vola ampiasaina, na ny fomba ampiasaina ny zavabita – izay marihina fa tsy tokanana ho an’ny fifidianana ihany.

carpool
Ity kosa, na hay na tsy hay 😀

Tiako koa ny finiavana hiteny mba hilaza hevitra. Tsy manao tsianjery maimbo na mamaky be fahatany izay eo anoloan’ny maso, sahala amin’ny hoe “tsy misy azoko mihitsy izay vakiako fa satria tsy maintsy ataoko dia ataoko ihany, izay alehany”. Mahatsiaro an’I Ramose Arsène, mpampianatra taranja Malagasy aho : “Vao miteny ianao dia efa tsapako na mahazo resaka na tsia”…

Tiako koa ny ezaka ataony mba hanehoany fa misy fahatsorana ihany ny fiainampianakaviany na dia hafa amin’ny rehetra aza. Mianatra ny zaza fa tsy mibizina, miasa rehefa tokony hizatra asa, mitafy tsaratsara (tsy voatery lafo be foana fa izay mba hahafahan’ny madinika indrindra mihevitra hoe “mba toa ahy koa ireto ankizy ireto”), manandrana mofomamy ao an-dakozian’ny Maison Blanche (izay hitanao eto ny recette); mandray anjara amin’izay asampokontany tokony hatao. Comm’ daholo izany, saingy… tsy mahatsiravina izany ilay izy e, mahafinaritra, mba miova amin’ny fahitako.

education
Raha nanao lahateny momba ny mahazavadehibe ny fanabeazana indrindra any amin’ireo faritra sahirana

Tiako koa ny fahafantarako ny zavatra nataony sy ataony. Rehefa mamaky gazety amin’ny tranonkala aho dia afaka manome vaovao marina na azo porofoina momba azy ny mpanoratra : avy aiza izy, tahaka ny ahoana ny fahazazany sy ny fitaizana nomena azy, taiza no nifanena tamin’ny filoha vadiny, inona no fianarana nataony, inona no asany ary ahoana ny fahitàny ny fiarahamonina misy azy, inona no nanamarika azy tamin’ny fiainany, iza no modeliny. Tsy misy dia misitery hafahafa, na siosiondresaka dia mahasosotra be loatra, tsy menatra amin’ny fihaviany sy ny tantarany, mba azo taratarafina eny. Olona mba mazava e, na dia ekena fa tsy tonga lafatra aza. (Vetivety : tadidiko, indray taona efa ela izay, mba nisy ezaka nataon’olona tsy fantatra hilaza ny tantarampiainan’ny vadina filoha Malagasy iray tao amin’ny wikipedia, ka nolazainy fa “mitaha amin’ny Jacky Kennedy” hono io ramatoa io. Izao an, aleo kosa tsy mifanambaka, hoy Jacky Onassis 😀 😀 😀 😀 😀 )

Tiako, tena tiako koa, ny fanindrahindrany ny asantanan’ny mpamorona amerikana na mpamorona miasa ao Etazonia. Hery lehibe ho an’ny mpamorona, rehefa sendra hita amin’ny gazety hoe “Ny vadin’ny Filoha dia ampiankanjoan-dRakoto, mpamorona”. Dray. Na izaho manoratra aza, mba mitsangambolo. Nefa samy manana ny tiany hatao amin’ny volany ary samy manohana izay mba tiany tokoa. Fa raha isika sy ianareo aloha, dia aleo mifanohantohan-tsy ho lavo eto fa angaha misy afatsy isika sy ianareo intsony no eto. Tohano ny vita Malagasy, fa ny an’ny hafa efa tsara tohana.

Tsy asiako resaka kosa ny lamaodiny. Ny fitiavana moa sorajandiana, ny goût koa na manana, na tsy manana 🙂 Hoy Jacky Onassis 😀

Ny tena mahagaga (angamba) dia ity : ohatran’ny tsy dia tena hoe sarotra anie ilay zavatra ataony e, tsy dia hoe manahirana raha alaintahaka, tsy hoe dia tena ilaina atidoha be (na dia hita ihany hoe lalintsaina Ramatoa ary tsapa tokoa fa nofanin’ny oniveriste avo lenta ny vehivavy). Tiako ho lazaina hoe… Tsy hoe famoronana ny afo na fanazavana ny fihavian’izao tontolo izao akory ny lahasany. Fa mba misy hioriranana ihany, na ho an’ny bado indrindra aza. Fa io moa rehefa hoe « aleo amin’izao » dia izay izany.

Izany akory tsy midika hoe fanaperana Rafilaotosy. Tsy fanaperana no resahako aminareo, fa olombelona mba azo inoana. Mba tsy dia mahasosotra henoina.

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :